Recherche

Connexion



Tsofy Rano

Mardi, 14 Décembre 2010 05:52 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 0
MauvaisTrès bien 

TSOFY RANO


Anio aho Tompo indro tonga indray

Hitalaho ny indrafonao

Mba hitsinjo ny dianay

Amin'izao fotoan-tsarotra izao


Indro apetrako Aminao

Ny ahiahinay rehetra

Tsy voatanisa taminao

Kanefa fery efa mitoetra


Raiko ô, Tompo malala

Na dia efa hiaraha-mahalala

Ny tsy fiantsoako anao

Raha tsy efa antomotra toy izao

Dia hiangaviako raha azo atao

Ny mba hitsinjovanao

Ny fanirianay izay mitalaho

Miangavy ny fitsimbinanao


Tompo ô, izaho mba mitalaho

Miangavy re raha sitrakao

Aza avelanao irery ity zanakao

Tsinjovy, tantano, aza hilaozanao


Mise à jour le Mercredi, 27 Juillet 2011 12:59

Ajouter un Commentaire