
|
TSOFY RANO
Anio aho Tompo indro tonga indray Hitalaho ny indrafonao Mba hitsinjo ny dianay Amin'izao fotoan-tsarotra izao
Indro apetrako Aminao Ny ahiahinay rehetra Tsy voatanisa taminao Kanefa fery efa mitoetra
Raiko ô, Tompo malala Na dia efa hiaraha-mahalala Ny tsy fiantsoako anao Raha tsy efa antomotra toy izao |
Dia hiangaviako raha azo atao Ny mba hitsinjovanao Ny fanirianay izay mitalaho Miangavy ny fitsimbinanao
Tompo ô, izaho mba mitalaho Miangavy re raha sitrakao Aza avelanao irery ity zanakao Tsinjovy, tantano, aza hilaozanao |