Recherche

Connexion



Tsy Ho Ahy

Vendredi, 22 Octobre 2010 05:51 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 0
MauvaisTrès bien 

TSY HO AHY

 

Raha tsy ho ahy tokoa ianao

Raha tsy izaho irery no tinao

Raha mbola tsy feno izay natao

Dia tsofin-drano raha handao

 

Raha tsy mitempo toy ny ahy

Ny ao anaty fonao ao

Nahoana indrindra, asa lahy

No tsy nambara tsotr'izao

 

 

Raha tsy isika no anjara

Raha ho ratsy fiafara

Izay natomboka ho tantara

Nahoana re no tsy nambara

 

Raha tsy ho ahy ihany ary ianao

Raha tena tofoka sy lao

Raha tsy misy ho antenaina

Dia tsy hiferotako aina

Mise à jour le Mardi, 04 Janvier 2011 12:13

Commentaires  

 
+1 # Vendredi, 10 Décembre 2010
Reply | Citer | Citer
 
 
0 # Mardi, 14 Décembre 2010
Hummm très fort. Merci !
Reply | Citer | Citer
 

Ajouter un Commentaire