Recherche

Connexion



SATRIKO

Lundi, 06 Décembre 2010 09:56 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 0
MauvaisTrès bien 



SATRIKO


Satriko raha mba hitony

Izany fahoriam-poko

Nefa injao niha-nihombo

Niasova indray ireo tolokoko


Satriko raha mba hiha-lefy

Izany tebitebin-tsaiko

Nefa izao ny levilevy

Mila haningotra ny aiko


Satriko raha mba hiala

Hanalavitra ny nofoko

Ity kapoaka iray tsy ho zakako

Mitady tsy ho azoko ialana

Satriko raha toa fitia

Iray tsy maty tsy mipika

Fitia tsy mba miriaria

No ho ilay fitiavantsika


Satriko ary iriko indrindra

Ianao ry Tompo Ray mahefa

No hitantana sy handrindra

Ny androko ho avy, ny mbola tsy efa


Mise à jour le Vendredi, 14 Janvier 2011 12:36

Ajouter un Commentaire