
|
SATRIKO
Satriko raha mba hitony Izany fahoriam-poko Nefa injao niha-nihombo Niasova indray ireo tolokoko
Satriko raha mba hiha-lefy Izany tebitebin-tsaiko Nefa izao ny levilevy Mila haningotra ny aiko
Satriko raha mba hiala Hanalavitra ny nofoko Ity kapoaka iray tsy ho zakako Mitady tsy ho azoko ialana |
Satriko raha toa fitia Iray tsy maty tsy mipika Fitia tsy mba miriaria No ho ilay fitiavantsika
Satriko ary iriko indrindra Ianao ry Tompo Ray mahefa No hitantana sy handrindra Ny androko ho avy, ny mbola tsy efa |