
|
AKO
Feo sisa no mitamberina Sy toa mbola mamerimberina Zary lasa mankarenina Nefa re mba tiako hafenina
Feo manako manakora Toa tsy mahay miteny mora Tsy mba mety ho fotsy rora Feo miady amin'ny ora |
Sendra izaho mba sorena Ilay tsy nahafehy tena No indro tamy indray ilay ako Namohafoha, nanasoaso
Ako tsy mba te ho fandre Tsy mba akom-pifaliana Fa dia nahoana loatra re No dia vesaram-pahoriana |