
|
AO ANATY
Misy alahelo anaty Henonao fa maharary Nefa koboninao mafy Mba tsy hisy mpahalala
Misy afo iray mandoro Henonao manorotoro Ny fonao manontolo Ny vatanao efa mila tsy hahajoro
|
Misy fo te hitroatra Te hiteny sy hisafoaka Nefa tsy afaka manoatra Na toa efa mila hipoaka
Misy antso tiana atao Antso iray mba mitalaho Avy ao anatinao ao Saingy indrisy, akory atao!? |