Recherche

Connexion



Ao Anaty

Jeudi, 20 Janvier 2011 13:20 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 0
MauvaisTrès bien 

AO ANATY


Misy alahelo anaty

Henonao fa maharary

Nefa koboninao mafy

Mba tsy hisy mpahalala


Misy afo iray mandoro

Henonao manorotoro

Ny fonao manontolo

Ny vatanao efa mila tsy hahajoro



Misy fo te hitroatra

Te hiteny sy hisafoaka

Nefa tsy afaka manoatra

Na toa efa mila hipoaka


Misy antso tiana atao

Antso iray mba mitalaho

Avy ao anatinao ao

Saingy indrisy, akory atao!?


Mise à jour le Jeudi, 10 Février 2011 13:01

Ajouter un Commentaire