
|
SATRIKO
Satriko Raha mba fifaliana foana no hiainiako isanandro Tsy mba misy tebiteby sady lavitra ahiahy Satriko Raha azo atao mba ho eo foana ny masoandro Ka tsy hisy tahotra hanelingelina ahy
Satriko Raha mba ho tsiky foana no eo imolotrao Raha manonona ny anarako, raha miantso ahy ianao Satriko Raha mba amin'ny fo tokoa no hitorianao ilay fitia Ka ho tena mpiaro ahy ianao sy ho mpitantana ny dia |
Satriko Raha hafoinao manontolo ho ahy izao rehetra izao Na dia efa fantatro aza fa tsy misy tena anao Satriko Raha omenao toerana mitokana aho ao am-ponao ao Seza iray tsy mihozongozona no tsy mitsahatra mihavao
Satriko Saingy faniriana ihany izany rehetra rehetra izany Ka aoka tsy hahadiso ahy raha toa aho manontany Satriko Mba izaho ihany dia hahavaly azy ireny Saingy tsy ahy ny teny farany, matoa aho tsy miteny |