Recherche

Connexion



Iny Alina Iny...

Jeudi, 10 Février 2011 09:45 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 

 

INY ALINA INY


Nangingina iny alina iny

Fa tsy teo ianao

Na ny volana aza nalaina ny hiseho

Noho ny alahelony anao


Toy izany koa ny foko

Lasan-tsento, velon-toloko

Fa tsy teo ilay sandry fiankinako

S'ilay olon-tiako, fihantahantako



Fa maika toy izany koa

Ilay marainako ny ampitso

Na ny masoandro aza nalaina ny hifoha

Satria tsy teo ilay fifaliako


Toy izany koa ny tenako

Malaina hiatrika andro vao

Malaina toy izato peniko

Satria tsy teo anilanao

Mise à jour le Mercredi, 02 Mars 2011 11:56

Ajouter un Commentaire