Recherche

Connexion



Any Ho Any...

Jeudi, 24 Février 2011 09:21 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 3
MauvaisTrès bien 

ANY HO ANY


Any ho any, misy fo iray mitempo

Tsy mitsahatra misento

Tsy mba sasatra miventso

Satria ilay malalany tsy eto


Any ho any, misy fo mifankatia

Miara-dia miriaria

Mifampizara hafaliana

Fa manana sandry hitosiana



Any ho any, misy fo mila ho vaky

Fa mitempo fitia voarara

Mihafihafy na dia satry 

Mba ho tò ary ity tantara


Any ho any ihany koa

Misy anjaranareo roa

Anjara iriana mba ho soa

Ankinina amin'Ilay Tsitoha


Mise à jour le Mardi, 16 Août 2011 13:43

Ajouter un Commentaire