Recherche

Connexion



NALEONAO...

Jeudi, 10 Mars 2011 11:18 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 

NALEONAO


Misy ihany ve ny tia dia izy no safidinao?

Misy ihany ve ny manina dia naleonao nandao?

Misy ihany ve ny teny dia ny ratsy no natolotrao?

Misy ihany ve ny tofoka dia izaho indray no tsy ho lao?


Misy ihany ve ny fo mitempo dia naleonao tsy eto

No hifampizara hafaliana, hiara-hizaka fahoriana?

Misy ihany ve ny tànana te hifandray

Dia naleonao niova hafa indray?



 

Misy ihany ve ny vazo azontsika hiraina miaraka

Dia naleonao nampiara-peo tamin'olon-kafa?

Naleonao nisintaka, naleonao nisaraka

Nifindra lasy ianao, indrisy, tsy nihafahafa


Misy ihany ve hoy aho ny maniry hiara-dia

Te hiara-dàlana aminao sy te hizara ilay fitia

Dia naleonao any an-kafa no namorona akany

Misy koa anefa fo, miandry, manantena hatrany


Mise à jour le Vendredi, 26 Août 2011 12:26

Ajouter un Commentaire