Recherche

Connexion



Atsy ho atsy

Vendredi, 17 Juin 2011 12:30 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 


ATSY HO ATSY

 

Dray, 

Dia sahinao tokoa

Ny nanitsakitsaka ahy

Dia lazainao fa tsy nahy?


'Zao ny foko mbola tia

Manahy ny tsy ho tafara-dia

Zary tofoka satria

Nohosenao ilay fitia




'Lay raozy kely novoleko

Ilay fitiavana nekeko

Ilay fifaliana nantenaiko

Indro fa haningotra ny aiko


'Dray,

Miesora kely ianao azafady

Mialà lavitra ny hady

Fefeko tsy ho anao intsony mantsy

Ilay mbola hisy hitia indray atsy ho atsy



Mise à jour le Jeudi, 30 Juin 2011 14:13

Ajouter un Commentaire