
|
NAVOTSOTRAO NY TANAKO
Ela nofihininao aho Ka nahatsiaro fifaliana Ela notantananao aho Ka tsy nahatsapa fangirifiriana
Zatra ireo safosafonao aho Dia nanjary mpiantso anao Mamon'ny fitiavanao Ka tsy mba mena-mitalaho
|
Izao tontolo izao mihitsy No efa foiko mba ho anao Izaho ilay tsy mba nahay nitsitsy Raha ho anao, raha momba anao
Nefa izao, navotsotrao ny tanako Ka ny alahelo sisa namako Ny ranomasoko tsy zakako Indro mameno indray ny tavako |
Commentaires
Flux RSS pour les commentaires de cet article.